[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Savoka

Avy amin'i Wikipedia
Savoka amin' ny toho-tantely

Ny savoka dia kilasin' ny zavatra ôrganika isan-karazany izay vainga afaka mitroka menaka, mora volavolaina amin' ny mari-pana ao an-trano. Ahitana alkanina sy lipida ambony izy ireo, matetika manana teboka fitsonihana eo amin' ny 40 °C eo ho eo, mitsonika mba hanome ranoka ambany hadity. Ny savoka dia tsy mety levona anaty rano fa levona amin' ny mpadevona ôrganika toy ny heksanina sy ny benzenina ary klôrôfôrma. Savoka voajanahary isan-karazany no vokarin' ny zavamaniry sy ny biby ary hita koa ao amin' ny solitany.