[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Saô Tôme e Prinsipe

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Saô Tôme e Prínsipe
Saritanin' i Sao Tôme e Príncipe

I Saô Tôme e Prinsipe na Repoblika Demôkratikan' i Saô Tôme e Prinsipe dia firenena ao Afrika Afovoany, ao amin' ny Hoalan' i Ginea, ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. Ny renivohiny dia i São Tomé. Ny tanàna lehibe indrindra dia io renivohiny io ihany. Mirefy 1 001 km² ny velarany. Niisa 183 176 ny mponina tao araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2011. Atao hoe Santômeana ny vahoaka ao. Ny faritr' ora dia +0.

Atao hoe São Tomé e Príncipe na República Democrática de São Tomé e Príncipe izy amin' ny teny pôrtogey.

Sarin-tanin' i Saô Tôme e Prinsipe

Tangoro-nosy ahitana nosy roa lehibe (dia i São Tomé sy i Príncipe) sy nosy madinika maro koa no mamorona ny tanin' ity firenena ity. Be tendrombohitra ireo nosy ireo izay nifirona amin' ny alalan' ny fipoahan' afotroa, sady rakotra alan-jana-pehin-tany ny 30 %n' ny taniny. Manana toetanin-jana-pehin-tany ity firenena ity.

Miakina be amin' ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i  Saô Tôme e Prinsipe, indrindra fa amin' ny fambolena kakaô.

Ny kristianisma katôlika no fivavahan' ny ankamaroan' ny mponina ao amin' ity firenena ity. Ny 30 %n' ny Santômeana dia monina any ivelan' ny fireneny, indrindra any Pôrtogaly sy any Angôla ary any Gabôna.

Zanatany pôrtogey taloha i Saô Tôme e Prinsipe izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1975. Ny fiteny pôrtogey no fiteny ôfisialy any.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.