Malacca
Malacca | |||
---|---|---|---|
— Faritany — | |||
Melaka | |||
|
|||
Motto: Bersatu Teguh | |||
Anthem: Melaka Maju Jaya | |||
Fisian'i Malacca | |||
Coordinates: 2°12′N 102°15′E / 2.200°N 102.250°ECoordinates: 2°12′N 102°15′E / 2.200°N 102.250°E | |||
Renivohi-paritany | Bandaraya Melaka | ||
Government | |||
- Ruling party | Barisan Nasional | ||
- Yang di-Pertua Negeri | Mohd Khalil Yaakob | ||
- Ketua Menteri | Mohd Ali Mohd Rustam | ||
Area | |||
- Total | 1 650 km2 (637,1 sq mi) | ||
Population (2007) | |||
- Total | 770 000 | ||
- Density | 466,7/km2 (1 208,7/sq mi) | ||
Human Development Index | |||
- IDH (2003) | 0.810 (high) | ||
Kaodim-paositra | 75xxx hatrany amin'ny 78xxx | ||
Niomerao fiantsoana | 06 | ||
Vehicle registration | M | ||
Malacca Sultanate | Taonjato faha 15 | ||
Portogey | 24 Aogositra 1511 | ||
Holandey | 14 Janoary 1641 | ||
Anglisy | 17 Marsa 1824 | ||
Zanatany Japoney | 1942-1946 | ||
Website | http://www.melaka.org.my |
Malacca, na Melaka amin'ny fiteny malay dia faritany mizaka tena fahatelo kely indrindra any Malaizia, eo aorian'i Perlis sy Penang, any atsimon'ny tanjona Malay no misy azy. Ny faritan'i Malacca dia mizara sisin-tany amin'ny faritan'i Johor any atsimo. Ny renivohiny dia Malacca, ny tanàna aloha dia voasokajin'i UNESCO ao amin'ny Fananan'ny Tontolo hatry ny 7 Jolay 2008.
Jeografia
[hanova | hanova ny fango]Ny faritan'i Melaka dia manana velarantany 1650 km2, na 0,5 isan-jaton'ny velarantan'i Malaizia. Ilay faritany dia voazara distrika telo, ny Melaka anivo (Melaka tengah) manana velarantany 314 km², ny Alor Gajah (660 km²) ary ny Jasin (676 km²). Ny toerana isian'i Melaka dia eo atsimo andrefan'ny tanjona Malay, manatrika ny Sumatra, nosy indonezianina eo ampitan-dranomasina.
Melaka dia 148 km any atsimon'i Kuala Lumpur, renivohitry ny Malaizia ; ary 245 any avaratr'i Singapaoro, ary eo anivo tsara ny detroit-n'ny Malacca. Ny renivohi-paritan'i Malacca dia tsara fisiana satria eo anelanelan'ny renivohitra Kuala Lumpur sy ny tanànan'ny Singapaoro. Tsara ny lalana sy rafitra fototra ao Malacca.
Demografia
[hanova | hanova ny fango]Ny isam-ponina ao Malacca dia misy 759 000 mponina eo ho eo tamin'ny 2007. Ao amin'ireo dimy alina sy fito hetsy ireo dia misy :
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Ny soratra voalohany hita momban'i Melaka dia avy amina lahatsoratra sinoa; ny Ko Kwo Yi Yu, mitantara iraka sinoa any Melaka tamin'ny 1403. Misy amin'io lahatsoratra io teny malay nosoratana tamin'ny sinôgrama, miaraka amin'ny dikany amin'ny teny sinoa.
Araka ny fomban-drazana, ny tanànan'ny Melaka dia voaforon'i Parameswara tamin'ny 1400 ; i Parameswara dia andrianan'ny tanànan'ny Palembang, tanàna any atsimon'i Sumatra tsy nanaiky ny fanjakazakan'ny fanjanaka Javaney an'ni Majapahit ar yniala tao Palembang noho izany. Nilaza fa an'i Malacca ny tanànan'ny Palembang, fa naka ny antokon'i Majapahit ny Sina.
Ny mpivarotra mozilmana dia nanana anjara tsy kely tamin'ny varotra tao Malacca. Nivadika mozilana ny mpanjakan'i Malacca (Parameswara) tamin'ny faran'ny fanjakany tamin'ny 1414 ary nitondra ny anarana Iskandar Shah.
Ny fivelaran'ny fanjakanan' Ayutthaya (1350-1767) dia fandrahonana ho an'i Malacca. Tamin'ny 1406, ilay tanàna dia nangataka fiarovana tnay Sina ilay tanàna, ary nandefa iraka maromaro izy, ny mpanjaka telo voalohany dia nandray anjara tamin'ireo iraka ireo. Amin'ny valin'izany, ny amiraly sinoa mozilmana Zheng He dia tonga imbetsaka tany Malacca tamin'ny 1405 hatramin'ny 1433, mitondra tafi-tsambo. Ny faritanànan'ny Bikit Cina dia vavolombelon'ny fahatongavan'ny sinoa. Ny fasana sinoa any Malacca dia fasana sinoa ngeza indrindra eto an-tany any ivelan'i Sina.
Lasan'ny mpanjaka faharoan' India portogey Alfonso de Albuquelque ny tanànan'ny Melaka tamin'ny 1511, i Alfonso dia avy tany Goa ary nitondra sambo 18 sy olona 1200 izy. Nanisaka ny tokotaniny tany Johor, any atsimon'ny tanjona Malay ny mpanjaka Mahmud. Ny printsipaotian'i Java, naman'i Malacca dia nanandrana nanala ny Portogey tao Malacca, ny printsipaotian'i Jepara indrindr no tena nanandrana, tamin'ny 1512-1513 ary tamin'ny 1551 hatramin'ny 1574.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Sarin'i Malacca Archived Mey 13, 2005 at the Wayback Machine
- Sehatra ofisialy Archived Martsa 15, 2011 at the Wayback Machine
- Guide touristique de la ville Archived Septambra 27, 2007 at the Wayback Machine
- http://www.malacca.org/ Archived Jolay 15, 2005 at the Wayback Machine
- Portogey, anglisy sy holandey any Melaka Archived Martsa 1, 2010 at the Wayback Machine
Miteny anglisy
[hanova | hanova ny fango]- Malacca - Wikivoyage
- Official Melaka Tourism Action Council website Archived Aprily 13, 2009 at the Wayback Machine
- Official Malacca government website Archived Martsa 15, 2011 at the Wayback Machine
- Malacca Hotel Directory Archived Febroary 15, 2010 at the Wayback Machine
- Malacca Tourist Attraction
- Cruiserlog Wiki - Sailing Cruiser's Guide
- Encyclopaedia Britannica, Strait of Malacca - full access article
- WorldStatesmen Malay states
- Littoral states move closer for Strait of Malacca security Archived Febroary 26, 2009 at the Wayback Machine Article about security in Strait of Malacca
- WWF-Malaysia's Hawksbill Turtles Satellite Telemetry Website WWF-Malaysia's website featuring the journey of two satellite tracked hawksbill turtles and other information about hawksbill turtles in the region of Malacca, Malaysia.