[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Fingotra voajanahary

Avy amin'i Wikipedia
Fanangonana lateksa voajanahary.

Ny fingotra dia akora mateza roritina azo avy amin' ny fiovan' ny rononon-kazo (lateksa) vokarin' ny zavamaniry sasany. I Tailandy, i Malezia, i Indônezia ary i Kambôja no efatra amin' ny firenena laharana voalohany amin' ny famokarana fingotra.

Amin' izao fotoana izao, ny fingotra dia alaina indrindra amin' ny endrika lateksa avy amin' ny hazo Hevea brasiliensis na hafa. Ny lateksa dia kôlôida mipetaka sy mandronono ary fotsy alaina amin' ny alalan' ny fanakianana ny hoditr' ilay hazo sy ny fanangonana ilay ranoka. Diovina ny lateksa avy eo mba ho lasa fingotra vonona ho an' ny fanodinana ara-barotra.

Ampiasaina betsaka amin' ny fampiharana sy amin' ny vokatra maro ny fingotra voajanahary, na irery na miaraka amin' ny akora hafa. Amin' ny ankamaroan' ny endrika fampiasana azy dia manana taham-piroritana lehibe sy taham-piaretana be ihany koa tzy