[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Angorodao

Avy amin'i Wikipedia
Angorodao: ny angorodao diatônika ny eo ambony fa angorodao krômatika kosa ny eo ambany.

Ny angorodao na gorodo dia zavamaneno mandeha amin' ny rivotra, maro feo, misy andalan-kitendry na vondrom-bokotra, ahitana lela metaly manify maro ao anatiny izay mipararetra rehefa tsofin' ny rivotra avy amin' ny tafoforana hetsehin' ny mpitendry azy.

Mampiavaka ny angorodao ny fananany vondron-kitendry na vondrom-bokotra ankavia sy ankavanana: ny iray misy ahafahana mitendry andalam-peo amin' ny tanana havanana, fa ny faharoa ahitana vondrom-bokotra ho an' ny ridram-peo efa voarafitra ao anatiny mialoha sy beso mpanaraka, izay tendren' ny tanana havia.

Misy karazany roa ny angorodao araka ny endriky ny ampahany ahafahana mitendry andalam-peo, dia ny angorodao diatônika, izay ahitana andalan-kitedry (toy ny an' ny pianô), sy ny angorodao krômatika, izay tsy ahitana afa-tsy vondrom-bokotra.

Ampanenoina amin' ny alalan' ny fanosehana na fisintonana ny tafoforana amin' ny fotoana anindriana ny bokotra na ny kitendry eny aminy ny angorodao, ka mahatonga ny rivotra hikoriana mamakivaky ny lela manify vita amin' ny varahimavo na tsỳ ao anatiny.

Miely manerana izao tontolo izao ny angorodao noho ny onjam-pifindra-monina avy any Eorôpa ho any Amerika sy any amin' ny faritra hafa. Any amin' ny firenena sasany (ohatra: Arzantina, Brezila, Kôlômbia, Repoblika Dôminikana, Meksika, ary Panamà) dia ampiasaina amin' ny mozikam-bahoaka ny angorodao, fa any amin' ny faritra hafa (toa an' i Eorôpa, Amerika Avaratra, ary firenena hafa any Amerika Atsimo) dia matetika ampiasaina amin' ny mozika dance-pop sy amin' ny mozika folk izy. Any Eorôpa sy Amerika Avaratra dia ampiasana ity zavamaneno ity ny mozikam-bahoaka sasany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]