[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Ôktôbra

Avy amin'i Wikipedia

Ny volana Ôktôbra dia volana fahafolo ao amin' ny tetiandro gregôriana sy joliana, volana fahenina amin' ireo volana misy 31 andro ao amin' ny taona. Io no volana faharoan' ny fararano any amin' ny ila-bolantany avaratra, fa volana faharoan' ny lohataona any amin' ny ila-bolantany atsimo. Avy amin' ny teny latina hoe October (avy amin' ny hoe octo, "valo") ny anarany, satria volana fahavalo tao amin' ny tetiandro rômana fahiny izy io.

Tetiandro rômoliana

[hanova | hanova ny fango]

Tany am-boalohany ao amin' ny tetiandro rômana antsoina hoe "tetiandro rômoleana" izay nahitana volana folo, ny volana Ôktôbra dia volana fahavalo amin' ny taona. Io anarana io dia avy amin' ny teny latina hoe October, avy amin' ny hoe octo "valo", sy ny tovana -bris izay angamba avy amin' ny teny latina hoe ber "mitondra", na avy amin' ny andian-teny hoe ab imbre, "aorian' ny oram-panala".

Ny Rômana, rehefa zatra naneho ho olona na andriamanitra ny zavatra rehetra izay nanahirana ny nanazava azy (toy ny tsingerina isan-taona), dia nametraka ny andriamanitra "tsara" amin' ny lafiny iray ary ny andriamanitra "ratsy" amin' ny lafiny ilany, ary nitandrina mba ho eo ambanin' ny fiarovan' ny voalohany, ka hiaro ny tenany tsy ho azon' ny faharoa. Ny volana efatra voalohany amin' ny taona ihany no mifandray amin' ny andriamanitra mpiaro, ka ny telo amin' izy ireo dia andriamanibavy: ny Martius (volana Marsa) natokana ho an' ny andriamanitra rômanina Marsa, ny Aprilis (volana Aprily) ho an' i Afrôdita, ny Maius (volana Mey) ho fanomezam-boninahitra an' i Maia, ny Iunius (volana Jona) ho fanomezam-boninahitra an' i Jonô. Ny enim-bolana farany dia notondroina amin' ny isa izay natao mba hahafaha-manavaka azy ireo mandritra ny taona: ny Quintilis ho an' ny volana fahadimy, ny Sextilis ho an' ny fahenina, ny September ho an' ny fahafito, ny October ho an' ny fahavalo, ny November ho an' ny fahasivy, ny December ho an' ny fahafolo. Amin' io tetiandro io, ny volana Marsa no volana voalohany amin' ny taona rômana.

Tetiandro pômpiliana sy joliana

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny lovantsofina notantarain' ny mpanoratra latinina (Ôvidio, Varô), dia lasa nisy 12 volana ny tetandro, na io tamin' ny naha mpanjaka an' i Noma Pômôlio (Numa Pompilius), na io tamin' ny fitondran' ny Decemviri manodidina ny taona 450 tal. J.K. ary ny Janoary no lasa volana voalohany amin' ity antsoina hoe "tetiandro pômpiliana" ity mba hanakaiky kokoa ny fiandohan' ny taona amin' ny sôlstisy ririnina izay mamarana ny vanim-potoana tsy isian' ny famokarana ary manomboka ny fanavaozan' ny Masoandro.

Na izany aza, ny taona rômana dia fantatra amin' ny daty nifidianana ny kônsoly roa, izay nandray ny fahefana tamin' ny 1 Mey sy 15 Marsa talohan' ny taona 153 tal. J.K. Ny fiandohan' ny taon' ny kônsoly dia napetraka amin' ny 1 Janoary tamin' ny nampidirana ny tetiandro joliana tamin' ny 45 tal. J.K., i Jolio Kaisara dia nampanombka izany, tsy tamin' ny sôlstisy ririnina, fa tamin' ny tsinam-bolana manaraka mivantana an' io sôlstisy io, mba hifanaraka amin' ny toetsain' ny Rômana, izay zatra ny taom-bolana.

Tamin' ny Andro Antenatenany

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny Andro Antenatenany, ny firenena kristiana dia mampiasa ny tetiandro joliana ary nanomboka ny fanisana ny taona amin' ny fety ara-pivavahana lehibe iray, dia ny 25 Desambra (fomban' ny Fahaterahan' i Jesoa), ny 25 Martsa (fomba flôrentina na fomban' ny Fanambaràna), na amin' ny Paska (fomban' ny Paska) toy ny any amin' ny faritra frantsay sasany. Na izany aza, ny tetiandro tamin' ny Andro Antenatenany dia manohy mampiseho ny taona araka ny fomba amam-panao romana, amin' ny tsanganana roa ambin' ny folo manomboka amin' ny Janoary ka hatramin' ny Desambra.

Ankehitriny

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiforonan-teny latinina momba ny volana Ôktôbra dia mbola mampahatsiahy hatramin' izao ny filaharan' ity volana ity ao amin' ny taon' ny "tetiandro pômpiliana": ankehitriny izy dia volana fahafolo, raha laharana fahavalo taloha.

Ireo zavatra nitranga tamin' ny Ôktôbra

[hanova | hanova ny fango]


Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]