[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Mpanjakan' i Jodà

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

Ny mpanjakan' i Jodà dia ireo mpanjaka avy amin' ny fokom-pirenen' i Israely lazaina ao amin' ny Baiboly fa nanapaka ny tapany atsimon' ny tanin' i Israely ao Palestina, izay atao hoe Fanjakan' i Jodà, taorian' ny fisarahan' ny Fanjakan' i Israely ho roa nanomboka tamin' ny taona 930 tal. J.K. hatramin' ny taona 586 tal. J.K. Nanomboka teo amin' ny fanjakan' i Rehôbôama na Rôbôama ka hatramin' ny fanjakan' i Zedekia na Sedekiasa ny mpanjakan' i Jodà. I Saoly (na Saola) sy i Isbôseta sy i Davida ary i Sôlômôna (na Salômôna) dia mpanjakan' i Israely tamin' ity fanjakana ity mbola tokana tsy mivaky. Nisy roapolo ny isan' ny mpajaka nifandimby nitondra tao Jodà, raha tsy isaina i Saoly (שאול / Shā’ûl) sy i Davida (דָּוִד / Dāwîḏ) ary i Salômôna (שְׁלֹמֹה‬ / Shlomoh).

  1. Rehôbôama na Rôbôama (hebreo: רְחַבְעָם / Rehav’am);
  2. Abiama na Abia (hebreo: אַבִיָּם / ’Aviyam);
  3. Asa (hebreo: אסא / ’Asa);
  4. Jôsafata (hebreo: יהושפט / Yehoshafat);
  5. Jehôrama na Jôrama (hebreo: יהורם / Yehoram);
  6. Ahazia na Ôkôziasa (hebreo: אחזיהו / ’Ahazyahu);
  7. Atalia (hebreo: עתליה / ‘Atalyah);
  8. Jôasy na Jôasa (hebreo: יהואש / Yehoash);
  9. Amazia na Amaziasa (hebreo: אמציה / ’Amatzyah);
  10. Ozia na Oziasa (hebreo: עזיה / ‘Uziyah) na Azaria na Azariasa (hebreo: עזריה / ‘Azaryah);
  11. Jôtama (hebreo: יותם / Yotam);
  12. Ahaza na Akaza (hebreo: אחז / ’Ahaz);
  13. Hezekia na Ezekiasa (hebreo: חזקיה / Hizqiyah);
  14. Manase (hebreo: מנשה / Menasheh):
  15. Amôna (hebreo: אמון / ’Amon);
  16. Jôsia na Jôsiasa (hebreo: יאשיהו / Yo’shiyahu);
  17. Jôahaza na Jôakaza (hebreo: יהואחז / Yeho’ahaz);
  18. Jôiakima na Jôakima (hebreo: יהויקים / Yehoyaqim);
  19. Jôiakina na Jôasina (hebreo: יהויכין / Yehoyakhin) na Jekonia na Jekoniasa (hebreo: יכניהו / Yekhonyahu);
  20. Zedekia na Sedekiasa (hebreo: צדקיהו / Tzidqiyahu).

Jereo koa