[go: up one dir, main page]

Ny klarinety dia zavamaneno tsofina, miavaka noho ny fisian' ny lelany tokana sy ny vatany saika miendrika varingarina. Ity zavamaneno ity dia noforonin' i Johann Christoph Denner (1655-1707) tany Nuremberg tamin' ny taona 1690 tany ho any. Ny klarinety sôpranô (amin' ny B♭) no môdely fantatra indrindra. Io vatany miendrika varingarina io no mampiavaka azy amin' ny zavamaneno tsofina izay samy manana vatana miendrika ampahan-kitsoloha toy ny hôboà sy ny saksôfônina.

Klarinety

Amin' ny zavamaneno tsofina rehetra ao amin' ny fianakaviany dia ny klarinety no manana ny fivelaram-peo lehibe indrindra satria mahatratra ôktava telo miampy fahenina kely, izany hoe maripeo 45. Ankoatra ny zavamaneno velezina, ny klarinety no zavamaneno manana fianakaviana lehibe indrindra.

Jereo koa

hanova