[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Vatosiraka

Avy amin'i Wikipedia
Vatisiraka miaraka amina eladrano moskôvita

Ny vatosiraka dia mineraly isan-karazany misy tsiraka ampiasaina amin' ny indostria. Ireo dia silikatana maneziôma na kalsiôma izay fitambarana tsiraka manify dia manify izay tsy hita raha tsy jerena amin' ny fanita-jery, izay mety mivoaka eny amin' ny rivotra amin' ny alalan' ny fifampikasohany amin-javatra hafa sy amin' ny fomba hafa.

Manana toetra ara-pizika sy ara-tsimia manokana ny vatosiraka: mahatohitra hafanana tafahoatra, tsy mety levona, mahatohitra ny fandroritana, manana tohitra araka aratra avo, mahatohitra ny fanimbana simika sy ny fanimban' ny zavamananaina bitika, afa-mitroka, azo alefitra, mora tenomina.

Ny fidiran' ireo tsiraka ireo amin' ny havokavoka dia mety hiteraka toe-javatra mampidi-doza isan-karazany amin' ny havokavoka, anisan' izany ny mezôteliôma sy ny asbestôzy ary ny homamiadan' ny havokavoka. Noho ireo fiantraikany ara-pahasalamana ireo, ny vatosiraka dia heverina ho loza ara-pahasalamana.