FANADINANA IRAISANA TELOVOLANA III – MALAGASY
ZONE EST 2024-2025
KILASY : 5ème
LAHATSORATRA : Ny kanetibe
Taona vitsivitsy lasa izay dia Malagasy no tompon-daka eran-tany amin’ny lalao tsipy kanetibe.
Lalao tsy dia mba fantatra loatra anefa izy ity, ary tsy dia mba fantatra loatra anefa izy ity, ary tsy mba
fahita mihely any Ambanivohitra any. Toy ny mitady gisa mainty ianao, raha any Ambanivohitra no mitady
mpilalao kanetibe. Amin’ny faritry ny renivohitra ihany no misy azy mazàva. Ary saika ekipa na tarika avy
amina orinasa ireo tarika hita. Toa lalao voatokana ho an’ny manam-bola izy araka izany nefa koa dia
ahazoana volabe. Sady fitadiavam-pahafinaretana izy ho an’ny mpahay azy no loharanom-bola rahateo
koa. Samy tsara tohana mantsy na ireo mpitantana na ny mpilalao, hany ka mirindra ny zava-drehetra.
Tsy mahagaga raha lasan-davitra ity karazany-dalao ity. Ny fanontaniana mipetraka eto dia izao:
rahoviana ny vahoaka mahantra vao mba ho afaka handray anjara amin’izy ity? Rahoviana vao mba
hipetraka any Ambanivohitra any ny tsipy kanetibe.
I. MIKASIKA NY LAHATSORATRA :
1) Fahazoana ny lahatsoratra :
1.1) Hevi-teny :
a) Manomeza teny na andian-teny izay mitovy hevitra amin’ny hoe “ mihely”
b) Manomeza teny na andian-teny izay mifanohitra hevitra amin’ny hoe “ tsy fantatra loatra”
d) Inona no resahan’io lahatsoratra io?
2.2) Ny mpanoratra sy ny asa soratra
a) Oviana ary taiza I Dox no teraka?
b) Ampifandraiso amin’ny alalan’ny tsilo :
o Iarivo
Haeikel ANDRIANJATOVO o o Diamondra Tantsinanana
RAMANGAMALEFAKA o o Peratra mahavariana
II. MIKASIKA NY RIBA :
2.1) Riba ao amin’ny lahatsoratra :
a) Inona no fitaovana ilaina amin’ny tsipy kanetibe ?
b) Olona manao ahoana ireo mpilalao kanetibe ireo?
2.2) Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana :
a) Milaza karazana fialam-boly telo (03) fantatrao?
b) Inona avy ireo tombotsoa azo avy amin’ny fanaovana fanatanjahantena (valiny telo 3)
d) Tohizo ity ohabolana ity :
“ Ny tany no tsy asian-dratsy, …………. .”
III. MIKASIKA NY FITSIPIKA
1. Rafi-teny :
1.1) Endri-teny
,a) Ao amin’ny lahatsoratra mitadiava teny iray : a) ahitana teny verindroa
b) ahitana tsirinteny sara-droa
1.2) Sokajin-teny :
Fenoy ny fafana miainga amin’ity fehezanteny ity :
“ Iny tovolahy vory nofo iray.”
Teny Sokajin-teny
iny ……………………
…………………… Anarana iombonanay
Vory ……………………
…………………… Mpamaritr’isa
2. Fifehezan-teny :
2.1) Anjara asa :
Omeo ny anjara asan’ny teny misy tsipika eo ambany.
F: Ny milaza dia ny lalao baolina kitra .
2.2) Fandrasan-teny :
Rasao ny teny misy tsipika ary omeo ny anaran’ny hasin-teny tsirairay
F: Ahazoana volabe ny tsipy kanetibe.
2.3) Avadio ho L NY RF :
Toy ny mitady gisa mainty ianao.
FANADINANA IRAISANA TELOVOLANA III – MALAGASY
ZONE EST 2024-2025
KILASY : 6ème
LAHATSORATRA : NY RAVINALA
Be ihany ny zava-maniry tsy misy loatra amin’izao tontolo izao nefa misy eto Madagasikara, any
anankiray amin’ireny ny ravinala.
Ravinala no ilazana azy, raha mbola maintso loatra sady tanora izy, ka ny zatra mankany
anindrana no maninona izany anarana izany.
Raha mbola tanora izy ka misy vatana dia eo indrindra no anaovan’ny olona azy hoe : fontsina. Ny
hodiny amin’izany dia atao atao rapaka, na gorodona ary ny tahon-dravina maina no atao rindrina ka
falafa no anarany. Ny raviny maina koa dia atao hoe: raty, ary raty io no fanaovana tafon-trano.
Amin’ny tany lemademaka amorontsiraka ny ao anaty alabe no misy azy. Tsara tarehy aoka izany
izy, mivelatra lehibe tahaka ny fikogaka ny raviny. Ao anaty ala, izy no avo faniry indrindra fa misy
mahatratra telopolo metatra ny haavon’ny sasany.
Tsy tapitra amin’izany voalaza izany anefa ny soa azo avy amin’ny ravinala. Fa izy koa no ataon’ny
olona loharano fantsakana. Tsatohany lefona na antsy eo am-pototry ny ravinala dia misy rano mamy tena
madio tokoa migororoana avy eo.
RAZAFINTSALAMA RABENJAMINA Lucie.
mangamanga.
in Rano an’ala madio mangamanga.
FANONTANIANA :
A. MIKASIKA NY LITERATIORA
I. Fahazoana ny lahatsoratra :
1. Hevi-teny :
a) Omeo ny teny na andian-teny mitovy hevitra amin’ny teny hoe : “ Iantsoana” =
b) Omeo ny teny na andian-teny mifanohi-kevitra amin’ny hoe “ Antitra” #
2. Hevitra ao amin’ny lahatsoratra :
a) Araka ny lahatsoratra, zava-maniry inona no resahina eto?
b) Mahatratra hatramin’ny firy metatra ny haavon’ny ravinala raha tsara faniry izy?
B.MIKASIKA
B.MIKASIKA NY LITERATIORA :
1. Sokajin-dahatsoratra :
a) Azo lazaina fa manoritsoritra ve io lahatsoratra io?
b) Manomeza porofo roa manamarina ny valinteninao.
2. Mpanoratra sy ny asa soratra :
a) Oviana i Jean NARIVONY no teraka? Ary taiza ?
b) Iza no tena anaran’i Jean NARIVONY ?
D. MIKASIKA NY RIBA :
1) Riba ao amin’ny lahatsoratra :
Farito aiza amin’ny ravinala no ahazoana rano, ary ahoana ny fomba hampigororoana azy?
2) Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana :
a) Inona no voka-dratsy ny fahasimban’ny tontolo iainana ? (Valiny 02)
b) Manomeza vahaolana roa hisorohana ny fahasimban’ny tontolo iainana.
E. MIKASIKA NY FITSIPIKA :
1. Rafi-teny :
1. 1) Endri-teny :
a) Rasao ireto teny ireto, ary omeo ny anaran’ny hasin-teny tsirairay avy eo : « Mivelatra » ; « Anaovana »
2. Sokajin-teny :
Omeo ny sokajin-teny ny teny misy tsipika eo ambany amin’ity fehezanteny ity :
F: Ravinala no iantsoana azy raha mbola tanora izy.
3. Rafi-pehezanteny :
Inty misy fehezanteny :
F: Izy no avo faniry indrindra.
a) Omeo ny anjara asa fototra ao amin’io fehezanteny io.
Lazao ny rafitr’io fehezanteny io, ary omeo ny rafitra mifamaly aminy avy eo.
4. Lazao na voasoritra na tsy voasoritra ny EM, ary hamarino ny valinteninao, ao amin’ity fehezanteny ity.
F: Izy no avo faniry indrindra.
FANADINANA IRAISANA TELOVOLANA III – MALAGASY
ZONE EST 2024-2025
KILASY : 4ème
LAHATSORATRA : « Hafatrafatra »
« Hivoaka hanaraka anao ny zanakay, Andriamatoa, ka tiavo fa ianao no solon-dreniny. Koa aza
atao manara-bato aman-kazo, tsy fanajana vady izany, fa ataovy manaraka olombelona, aza atao mifikitra
amim-bahy maina, fa ataovy mifikitra amim-bahy lena, aza atao monina an-kilahila, fa ataovy monina an-
tany marina, fa izany no mitory fitiavana azy.
Tiavo fa sao ianao natao ranonorana hanondraka ny vary no mivadika ho havandra hanorotoro,
sao ianao natao ho zavona hanamasaka no manjary fanala hamono ny tahom-boangazo, sao ianao saiky
hitosiana no mampifia-dranomaso, sao mahita azy kely manara-bady lavitra ka hanome fahoriana any an-
taninolona. Sao mahita azy lavi-kavana ka hiady menamasoandro, mandroaka azy maizim-bolana. Tsy
zaka enti-mody izany raha misy.
Tiavo fa be no nafoiny noho ny fitiavany anao. Tiavo ny vady, fa ny vady no mitsabo raha marary,
manome hanina raha naona; ary manavotra raha very. Tiavo ny vady, fa ny vady no tahaka ny tongotra,
ka mahazaka ny soa sy mety.
Maurice RASAMUEL
in Prosper RAJAOBELINA, Lahatsoratra
voafantina, tak .151.
FANONTANIANA
A. MIKASIKA NY LAHATSORATRA :
I. Fahazoana ny lahatsoratra :
1. Hevi-teny :
1.1) Manomeza teny na andian-teny iray mitovy hevitra amin’ny hoe : “mivadika”
1.2) Manomeza teny na andian-teny iray mifanohitra amin’ny hoe “soa”
2. Hevitra ao amin’ny lahatsoratra :
2.1) Inona no hafatra voalohany ataon’ny ray aman-drenin-drazazavavy amin’ilay tovolahy ho vadiny?
II. Fitsikerana ny lafiny fanehoan-kevitra :
1. Ny mpanoratra sy ny asa soratra :
a) Omeo ny daty nahafatesan’I DOX sy ny toerana nandevenana azy ?
b) Ampifandraiso amin’ny alalan’ny tsilo ireto :
Mpanoratra Asa soratra
DOX - Imaintsoanala
August RAJON - Bina
J.J RABEARIVELO - Fahatsiarovan-tena
2. Sokajin-dahatsoratra :
a) Lazao ny sokajy misy io lahatsoratra io.
b) Manomeza porofo roa manamarina ny valin-teninao
B. MIKASIKA NY RIBA :
1. Riba ao amin’ny lahatsoratra :
1.1) Fisehon’ny riba :
Milaza antony roa lehibe tokony hitiavana ny vady ao amin’ny lahatsoratra.
1.2) Hevitra fonosin’ny riba :
Oharina amin’ny inona ny Vady ? Nahoana ?
2. Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana :
2.1) Fisehon’ny riba :
Inona no atao hoe “ Fanambadiana” ?
2.2) Hevitra fonosin’ny riba :
Lazao ny hevitra fonosin’ny famorana.
D. MIKASIKA NY HAINTENY :
I. Rafi-teny :
1. Endri-teny :
a) Mitadiava teny ahitana tsirin-teny sara-droa amin’ity fehezanteny ity.
“Koa aza atao manara-bato aman-kazo, tsy fanajana vady izany”.
b) Rasao ireto teny manaraka ireto ary omeo ny anaran’ny hasin-teny tsirairay :
Monina :
Mampifiaka :
2. Sokajin-teny :
Fenoy miainga amin’ity fehezanteny ity ny banga ao amin’ny fafana :
“ Tiavo fa sao ianao natao ranonorana hanondraka ny vary no mivadika ho havandra hanorotoro” .
TENY SOKAJIN-TENY
Fa ………………………….
…………………………. Mpisolo tena mahaleo tena
natao ………………………….
…………………………. anarana iombonana
II. Fifehezan-teny :
1. Anjara asa :
1.1. Omeo ny anjara asan’ny teny misy tsipika eo amboniny amin’ity fehezanteny
ity :
“ Mahazaka ny soa sy ny mety ny vady .”
2. Hevitra ara-drafitra sy fitodika :
2.1) Hevitra ara-drafitra :
Omeo ny HAD ny teny misy tsipika eo ambaniny ary hamarino ny valin-teninao :
“ Hivoaka hanaraka anao ny zanakay Andriamatoa”
2.2) Fitodika :
Lazao ny fitodiky ny fehezanteny ary hamarino ny valin-teninao
“Mampahory ny vady maditra”
3. Fifehezan-kevitra :
Avaho ny fehezana-kevitra amin’ity fehezanteny ity ary lazao ny fifandraisany.
“Tiavo ny vady fa ny vady no tahaka ny tongotra”.